ANDRANOVAO MAINTIRANO

Tsy milamina ny tany, mikatona avokoa ny toeram-pivarotana


  • Talata 21 Novambra 2023

fandriampahalemana Leo ny fampanantenana poakady hataon’izao fanjakana mijoro izao ireo mponina any amin’ny distrikan’i Maintirano.

Lazan’izy ireo fa mbola mandeha hatrany mantsy ny fiainam-pirenena ary milamina ny fandriampahalemana nefa ny mifanohitra amin’izany no tena zava-misy, indrindra fa ny hiainan’ireo mponina any ambanivohitra lavitra any. Ho an’ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano ohatra dia tapitra nikatona avokoa ny toeram-pivarotana rehetra omaly, hetsika fanairana ny Fitondram-panjakana. Haharitra telo andro izany, izany hoe : tsy hifarana raha tsy rahampitso Alarobia ho firaisankina hanehoana amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitondra fa tena mahatsiaro maharary izy ireo. Efa tena tsy matahotra intsony mantsy ireo dahalo hoy ny mponina. Sahy miditra any an-tokantranon’olona amin’ny andro atoandro no sady maka an-keriny. Tsy lazaina intsony ny vaky trano sy ny halatr’omby izay nambaran’izy ireo ombieny ombieny fa tena mila tsy ho zaka intsony ka tsy maintsy hanaovana hetsika fanairana. Fanontaniana napetrak’izy ireo araka izany ny hoe : mbola misy fanjakana ihany ve eto amintsika ?
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT