Fandriampahalemana

Andranonahoatra Itaosy Ny olona lasa nivavaka, izy nangalatra


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Lehilahy iray ny faran’ny herinandro teo no nifanenjehin’ny fokonolona teny amin'iny faritr’ Andranonahoatra Itaosy iny rehefa niditra an-tsokosoko tao an-tokontanina tokantrano iray,

nanararaotra ny tompon-trano nandeha nivavaka. Raha tsiahivina kely ny tantara dia efa an-dalana nody ny tompon-trano tamin'io ora nanaovan’ilay mpangalatra io asa ratsiny io. Nahare feo hafahafa tao an-tokotaniny ireto farany noho izany ka niantso ny manodidina avy hatrany. Nivoaka nirifatra nitsoaka ilay mpangalatra noho izany ka nifandritahan’ny fokonolona. Henon'ny Polisy manao fisafoana teny amin’ny manodidina ny vaovao ka raikitra ny fifanenjehana. Efa saika lasan'ity lehilahy ity moa ny kojakojan-dakozia saingy najanony izany rehefa raikitra ny fifanenjehana. Tratra soa aman-tsara moa ity lehilahy ity. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra manoloana ny firongatry ny vaky trano sy ny hala-botry ankehitriny. Tena mahazo vahana mantsy izy io ka tsara sy mety raha tsy foanana olona ao an-tokantrano.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT