Fandriampahalemana

Andranonahoatra Itaosy Lasibatry ny tontakely ireo mpivarotra isan-tsokajiny


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Vao mainka mihamahazo vahana izany ary miseho amin’ny endrika maro samihafa, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny ferin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

Ho an’ny teny Andranonahoatra Itaosy Atsimondrano teny omaly dia mpivarotra maromaro no indray lasibatry ny tontakely tao anatin’ny iray andro.Raha araka ny fanadihadiana natao dia olona roa ireo mpanao ratsy no indray miaraka. Mpivarotra enta-madinika no nisantaran’izy ireo izany ka ilay Rangahy mitsilo lampe de poche ny mason’ilay mpivarotra raha mandroaka ireo entana mora raisina mankany anaty harona kosa ilay vehivavy miaraka aminy. Segaondra vitsy no nanaovan’izy ireo izany hoy ilay mpivarotra. Nifindra teny amin’ny mpivarotra akoho tsy lavitra ity mpivarotra enta-madinika ity indray ireo olon-dratsy taorian’izany ka nahazoany akoho iray. Mpivarotra volafotsy no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny farany ka teo no nahatrarana azy. Raha iny handeha handraoka ilay volafotsy nipetraka teo ambonin’ny fitaratra iny mantsy ilay Ramatoa no tonga saika tampoka ilay mpivarotra ka noraisim-potsiny izy ireo. Nitsoaka ilay Rangahy vadiny nandritra izany saingy nenjihin’ny fokolona ka tratra ihany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT