ANDRANOMIELY ANKAZOBE

Maty notifirin'ny dahalo ny Ben'ny tanàna


  • Talata 09 Janoary 2024

Mbola mitohy ny tsy fandriampahalemana ao anatin’ny distrikan’Ankazobe.

Afak’omaly Alahady 07 Janoary alina dia niakaran'ny dahalo indray ny kaominina Andranomiely. Tsy naka olona na omby ireo andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana ireo fa ny Ben'ny tanàna no nokarohan'izy ireo. Rehefa hitan'ireo dahalo Ingahy Ben'ny tanàna dia tsy nisy indrafo fa avy hatrany dia notifiriny tamin’ny basy. Nandrika ny rà vokatr’izany ary maty teo no ho eo Ingahy Ben'ny tanàna. Nandositra kosa ireo dahalo taorin'izany. Niezaka nanenjika ireto farany ny mpitandro filaminana ka nisy ny dahalo voatifitra saingy mbola nentin'ireo namany nandositra ihany ary mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Mbola nitohy omaly tao Kiangara kosa ny fampandrian-tany nataon'ny mpitandro filaminana izay namoriana ireo vatan-dehilahy rehetra tao amin'ny kaominina hahafahana miady amin’ity vono olona sy fakana an-keriny ary fandrobana tanana ao Ankazobe ity.
Pati
Legende : Tsy milamina ny tananan’Andranomiely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT