Andranomavo Mananjary

Zandary 2 mpiambina karierana sinoa nisy namono


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Zandary roa, ka ny iray GP2 avy ao

amin’ny GAPJ Mananjary ary ny iray GST avy ao amin’ny Borigady Vohilava, no maty tamin'ny toerana fitrandrahana volamena an'ny Orin'asa sinoa antsoina hoe Bright Star Exploitation ao amin’ny fokontany Ambodiaviavy Kaominina Andranomavo Distrika Manannjary, raha ny fizaram-baovaon’ny Depiote Haja Manankary. Nisy daholo nanafika io fitrandrahana io ka izay no nahafaty ireo zandary ny alin’ny sabotsy 22 hifoha 23 novambra. Nentina tao Mananjary ny razana omaly alina ny razana. Tsara ny manamarika fa ny 10 novambra, dia nizy ny tranga fisamborana teratany sinoa dimy lahy nataon’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany na « Police des Mines » tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena ao Morafeno (Mananjary). Sady nahatrarana basy mahery vaika sy bala maro be. Rehefa natao ny fisavàna dia, hita fa tsy ara-dalàna ny fahatongavan’izy ireo eto Madagasikara. Tsy nahitana pasipaoro na taratasy fahazoan-dalana hipetraka eto amintsika. Ary indrindra indrindra, tsy nisy taratasy ara-dalàna amin’ny fitrandrahana volamena izay nataon’izy ireo. Natao izao fidinana ifotony izao ao anatin’ny fanatanterahana ny asa aman’andraikitry ny Direction de la Police des Mines, eo anivon’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, amin’ny fanaraha-maso, fanenjehana ny fandikan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny ady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko. Asa na misy ifandraisany amin’io tranga io ny raharaha fanafihana toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany nahafaty zandary miisa 2 ? Tsy vao izao ny fifanolanana sy fifandonana mahery vaika mifandraika amin’ny fitandrahana harena an-kibon’ny tany, indrindra fa ny volamena ao amin’ny Faritra Mananjary.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT