Fandriampahalemana

Andranomanelatra Tokantrano 3 voatafika, tovovavy iray voaolana


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Miverina tanteraka ny tsy fandriampahalemana ao Andranomanelatra ao ankehitriny. Isan’ny lasibatra matetika amin’izany ny fokontany Tsaravavaka, izay tsy lavitra loatra an’Antsirabe akory.

 

 Ny marainan'ny omaly talata, dia nisy andian-jiolahy nanafika tao Tsaravavaka, ary tokantrano 3 be izao no nasesin'izy ireo ary nisy tovovavy iray 16 taona koa naolan'ireo jiolahy. Voalaza moa fa niisa 7 eo ireo jiolahy nanafika ary ren'ireo olona voatafika tsara mihitsy fa misy vehivavy iray niaraka tamin'ireo jiolahy ireo ary tany amin'ny 3 ora maraina tany ho any no tonga ireo jiolahy nanafika ireo fa tsy alim-be akory. Ny tao amin’ny trano voalohany notafihin'izy ireo dia nopoiriny ny varavarana, izay tsy dia mafy hidy rahateo raha ny hita teny an-toerana ary nibosesika niditra ny enin-dahy tamin'ireo jiolahy ary nitady ny vola toy ny mahazatra. Tokantrano 2 no tao amin'io trano io, izay samy norobaina avokoa. Ankoatra izay dia noraofin'izy ireo ihany koa ny entana rehetra sendra azy ireo, toy ny vilany sy ny vilia ary ny finday. Notaterin'izy ireo mivoaka ireo entana ireo, ary teo no nandrenesan'ny topmpon-trano feom-behivavy nanontany ireo jiolahy raha toa ka ireo ihany no mba entana tao. Fianakaviana tsotra tsy dia azo lazaina ho misy zavatra inona loatra rahateo ireo fianakaviana voatafika ireo. Nisy jiolahy niverina tao main'ny tokantrano iray, ary ireo no nanolana ilay tovovavy nonina tao. Ankoatra io trano iray nisy tokantrano roa samihafa io, dia trano hafa teo ampita avaratr'io koa no lasibatr'ireo jiolahy, ary nitovy tsy nisy valaka ny fomba nataony. Raha ny tontalin"ny vola lasan'ireo jiolahy tamin'io fanafihana trano 3 io, dia voalaza fa vola 80 000 Ar, vilany 6 ary vilia maromaro sy finday no lasan'izy ireo. Voalaza moa fa misy ihany ny fiambenana saingy efa nody ny mpiambina tamin’io ora nanafihan’ireo jiolahy ireo, izay noe efa voakendry tsara ny ora nanafihana satria efa niditra an-trano avoko any mpiambina amin'iny fokontany Tsaravavaka iny, raha ny fanazavana nomen'ny ben'ny tanànan'Andranomanelatra.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT