Fandriampahalemana

Andranomanalina Nosavoritahan’ny mpanendaka efa-dahy ilay ramatoa


  • Talata 31 Aogositra 2021

Ramatoa iray 24 taona avy niasa no nendahana lehilahy miisa 04 teny amin'ny Vorodamba omaly ny faran’ny herinandro teo.

 Lasa tamin'izany ny poketra nisy vola 210.000 ariary sy finday marika Samsung s4 iray. Taitra noho ny horakoraka sy antso vonjy teny an-toerana ireo polisy niasa teny amin'ny manodidina ka avy hatrany dia nanenjika ireo mpanendaka. Tratra teo Andranomanalina ny iray tamin'ireo jiolahy ireo raha tafaporitsaka kosa ny 3 ambiny. Tsy hita teny amin'ity mpanendaka voasambotra ity ilay poketra fa lasan'ireo namany nitsoaka. Nentina teny amin'ny birao avy hatrany moa ity farany raha mitohy kosa ny fikarohana aton'ny Polisy hitadiavana ireo namany. Vao 19 taona monja ity tovolahy iray tratra ity.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT