Andranokotona Anjozorobe

Raim-pianankaviana iray natao « kidnapping » hitakiana 8 tapitrisa Ar


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Nisehoana fakana an-keriny indray tany amin’ny Faritra Anjozorobe iny omaly, raha ny vaovao voaray.

Raim-pianankaviana iray manam-bady aman-janaka no nisy naka an-keriny tany amin’ny Fokontany Ankidondona any amin’ny tanànan’Andranokotona, adin’ny iray miala an’Anjozorobe raha atao dia an-tongotra. Quartier-mobile nandeha nitondra olona tao amin’ny zandarimaria ny marain’ny omaly izy io raha ny fanamarihana, ary voalaza fa tao foana izy ny tontolo andro. Ny hariva anefa dia naharay hafatra (sms) ny tao an-tanàna, fa mila manatitra vola 8 tapitrisa Ar rahampitso zoma ary tsy mahazo mampandre ny mpitandro ny filaminana. Voalaza fa efa vita ny iraka nataony tao amin’ny zandary ka nandeha nody izy, adin’ny iray miala teo amin’ny biraon’ny zandary no misy ny tranony, ary bolona nanana olana tamin’ny resaka hazo ilay voalaza fa nateriny. Heverina fa teny an-dàlana nosy izany ny tenany no nisy nibeda. Tsy mety milamina ny resaka fakana an-keriny sy fitakiana vola tsy toko tsy forohana any amin’ity distrika ity.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT