Fandriampahalemana

Andranobevava Tovolahy Malagasy nisy naka an-keriny


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Nitrangana fakana an-keriny indray omaly zoma 22 desambra. Tovolahy teratany Malagasy fantatra amin’ny anarana Nathan Andriantsitohaina, zanaka mpandraharaha, no lasibatra.

Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva, ora firavan’ny mpiasa ary fotoana maha be mpandalo sy fiara mifamoivoy no nisehoany. Tao anatin’ny fotoana fohy no nitrangany, ary matihanina ny nanao azy, raha ny fahitan’ny teny amin’ny manodidina ny fomba nanatanterahana azy sy ny fitaovana nampiasain’ireo mpaka an-keriny. Tao anaty fiara raitra, Citroen C4 Cross ilay nokendrena. Nijoboka tao anaty rano feno tsikafona ity farany rehefa tratry ny ankisisika nampijanonan’ireo jiolahy mitam-basy ilay, ka nakan’ireo ilay tovolahy tao anatiny raha filazan’ny olona niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Nampiasa fiara Ranger Rover miloko mainty ary mbola raitra ireo mpaka an-keriny. Midika fa manantakao ireto farany, na ny mpaniraka azy ireo.  Voalaza aza fa nisy fiara hafa, 4X4 nampiasain’izy ireo nitsoaka nihazo an'Ankorondrano nony avy eo. Ny olona no nahita ka nampandre haingana ny polisy, izay nanao ny fikarohana avy hatrany. Tranga fakana an-keriny faharoa niseho tao anatin’ny 72ora io omaly io. Ny iray karana lahy, John Azadaly, mpiasan’ny orinasa UCODIS etsy Tsaralalana, ary teratany Malagasy kosa no lasibatra tamin’ity faharoa ity. Misy ifandraisany ve ireo sa tambajotra samihafa ? Mandeha ny fikarohana. Ny tsikaritra aloha dia nirongatra ity resaka kidnapping ity hatramin’ny tetezamita no ho mankaty, nivoahan’ireo jiolahy kalaza amin’io resaka io tany am-ponja.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT