ANDRAMBATO ITAOSY

Lehilahy iray hita faty, tapa-doha sy tapa-tongotra


  • Talata 05 Martsa 2024

Lehilahy iray tombanana ho 30 taona mahery na 40 taona eo ho

eo no hita faty tao an’elakelam-pasana teny Andrambato Itaosy, distrikan’Atsimondrano omaly Alatsinainy 05 Martsa tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro. Toy ny notapahana ny lohany raha ny fahitana azy teny an-toerana. Tapaka ihany koa ny tongony ilainy ary efa tsy nisy fitafiana nandrakotra intsony ny tapany ambany. Efa somary simba ny razana vokatr’izany. Efa nitangoronan’ny lalitra mantsy ity lehilahy ity noho ny faritra toy ny tapaka na goaka teo amin’ny tendany. Olona sendra nandalo nahare ny fofona no nampandre ny tompon’andraikitra sy ny fokonolona. Fantatra tamin’izany fa mbola tsy nisy trangana vono olona nampatahotra tahaka izao teny Andrambato Itaosy efa taona maromaro lasa izay. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : tena vono olona marina ve no nahazo ity lehilahy ity sa nohanin’ilay biby izay voalaza fa efa nandratra olona teny Beravina Itaosy ? Hatreto mantsy dia mbola tsy mandry hatrany ny sain’ny mponin’Itaosy, antony mampiely ny feo indray omaly fa lasa faritra mena ny tanana ka tokony samy hitandrina ny rehetra. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka tena hanamarina izany na tsia.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay razana hita omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT