Fandriampahalemana

Andramasina Voaroba ny vola, voavely “bois rond” ny tompon-trano


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Notafihin’ny jiolahy telo nitondra famaky sy “bois rond” ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Antsampanimahazo, distrikan’Andramasina, faritra Analamanga, ny sabotsy misasak’alina teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy 30 minitra.

 

 

 

 Naratra voavelen’io hazo io teo amin’ny lohany ilay rangahy ary tsy afaka nihetsika koa  ny vady aman-janany noho ny fandrahonana nataon’ireo mpanafika. Vola dimy alina sy roa hetsy ariary niampy firavaka sarobidy no voaroban’ireo jiolahy. Ankoatra izay dia nentin’ireo olon-dratsy koa ny omby telo tao am-bala. Fantatry ny tompon-trano ireo mpanafika ary efa hitany nihaodihaody teo amin’ny manodidina ny tranony izy ireo. Nampandre ny mpitandro ny filaminana  ireo voatafika taorian’izay nefa tsy nahatratra ireo jiolahy. Tsaboina ao amin’ny CsbII Andramasina ilay rangahy ary eo am-pikarohana ireo mpanafika ny zandary ankehitriny.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT