ANDOVOSIRA MANANJARY

Nahitana fatim-behivavy niankohoka


  • Alarobia 29 Jolay 2026

Nahitana fatim-behivavy

manodidina ny 40 taona eo ho eo efa niankohoka teo amin’ny rano manakaiky ny tseranan-dakana Andovosira ao Mananjary omaly Talata 28 jolay tokony ho tamin'ny 08 ora maraina . Raha ny fizahana nataon'ny dokotera sy ny mpitandro filaminana dia tsy nahitana endrika vono olona izy io. Nanazava koa ny tompo-manjo fa manana aretina Ratompokovavy na i Katiza fony fahavelony. Nihetsika anefa ny aretiny ka tsy maintsy nandeha nitady fanafody omena azy ny fianakaviany. Tamin'izay fotoana izay indrindra anefa no nivoaka ny trano tampoka ny anaovavy. Tsy nisy nahatsikaritra na nahita ny fivoahany ny fianakaviana vokatr'izany. Efa fotoana maromaro rahateo no niambenan'ny fianakaviany azy mba tsy hahafahany mivoaka ka tsy arak'ireto farany intsony izany. Samy niezaka nitady azy vetivety teo amin'ny manodidina ny fianakaviany sy ny vady aman-janany vokatr'izany saingy izao izy efa tsy nisy fofon'aina intsony izao no nisy nahita. Efa niasa teo anivon'ny kaominina ambonivohitr’i Mananjary moa Ratompokovavy fony fahavelony raha mbola mpitandro ny filaminana am-perin'asa ao Mananjary kosa ny vady andefimandriny.
Nangonin'i Pati
Légende : Tao anaty rano tahaka izao no nahitana ny razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT