Fandriampahalemana

Andohatapenaka Voasambotra ilay mpangalatra gisa sy ny mpividy azy


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Naharay fitoriana ny polisy avy ao amin'ny boriborintany fahafito etsy amin’ny 67ha

 

 

 

 fa nisy vaky trano ka nahaverezana entana maro sy gisa teny Andohatapenaka ny alin'ny 03 aprily hifoha 04 aprily 2020 teo tokony tamin'ny 01 ora maraina. Ny olona teo amin'ny manodidina no nahita ireo biby fiompy izay very ka mampilaza ilay lehilahy ary nanatona ny polisy tetsy amin'ny boriborintany fahafito izy. Miisa roa no voasambotra tamin'ity asa ratsy ity ny sabotsy 25 aprily teo ka 30 taona ny iray izay nanantanteraka mivantana an'ilay halatra ary 46 taona kosa ilay nandray ilay gisa halatra izay marihana fa mpivarotra hani-masaka. Tamin'ny fanadihadiana natao azy ireo dia niaiky izy ireo fa tratra tao aminy ilay gisa miisa 02. Tamin'ny fanadihadiana ny vaomeran'ny fandriampahalemana tao amin'ny fokontany Andohatapenaka dia nilaza ity farany fa efa hikoizana amin'ny famakiana trano ilay lehilahy voalohany ary ilay faharoa kosa efa malaza ratsy amin'ny fandraisana na fividianana ireo entana halatra. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT