Fandriampahalemana

Andohatapenaka Tratra ireo nangalatra bisikiletan’ny namany


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Lehilahy miisa roa nanosika bisikileta nitsofoka niazo an’Ankasina no saron’ny polisy nanao fisafoana teny Andohatapenaka Lalambaovao ny 06 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina.

 

 Rehefa nanontaniana izy ireo dia nivadibadika ny valin-teniny ka nampiahiahy ny polisy. Nentin’ireto nanaraka azy avy hatrany izy roalahy ireto ka nambarany tamin’izany fa an’ny dadatoany ilay bisikleta ary eny Talatamaty izy ireo no mipetraka. Naheno izany ireo polisy nanao famotorana ka nanolo-tena ny hanatitra azy roalahy any Talatamaty . Rehefa handeha hanainga anefa izy ireo dia nilaza indray izy roalahy fa tsy mipetraka any ka gaga ireo polisy ary voatery nanokatra fanadihadiana. Nandritra ny famotorana dia nilaza izy ireo fa an’olona niaraka nisotro tamin’izy ireo ity bisikleta ity ary saika hangalarin’izy ireo no izao tra-tehaky ny polisy izao. Natolotra ny fitsarana omaly izy roalahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT