Fandriampahalemana

Andohatapenaka Nitsoraka tany anaty rano ilay mpangalatra moto


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Lehilahy miisa 04 no saron’ ny Polisin’ny UIR sy ny SUT Tsaralalana ny 25 sy ny 26 jolay lasa teo teny amin’ny lalana Digue Andohatapenaka rehefa avy nangalatra moto.

 Ny 25 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora maraina raha tsiahivina dia nanao toy ny asa fanaony amin’ny andavanandro ny Polisim-pirenena ka anisan’ireny ny sakan-dalana. Nandritra izany indrindra no nisy moto nandalo, ka rehefa raikitra ny fisavana dia nirifatra nitsoaka ilay mpitondra moto ary tsy nijanona. Nifanenjehana niazo ny lalana Route Digue sy ny Etoile Rouge ilay lehilahy ka nony tonga teny akaikin’ny Ranon’Ikopa dia nitsoraka tany anaty rano izy ka noraisim-potsiny. Fantatra nandritra izany fa moto halatra ilay nentiny. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny SUT Tsaralalàna no nahafahana nisambotra ireo namany hafa ny Alatsinainy 26 jolay lasa teo izay nahitana basy vita gasy. Miisa 04 ireo voasambotra izay nahatrarana moto halatra roa hafa.Mbola itohy hatrany ny fikarohana hataon’ny Polisy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT