Andohatapenaka

Mpitondra taxi-moto notifirin'ny "client", bala roa no ao amin’ny lohany


  • Talata 12 Martsa 2024

Nandriaka ny ra teny amin’ny digue Andohatapenaka omaly 11 martsa 2024 takariva.

Lehilahy iray mpitondra taxi-moto no notifirin'ny "client" nentiny. Bala roa no niantefa tamin’ny lohany. Tavela ao amin’ny lohany ireo bala, raha ny fanamarihana. Lasan'ny jiolahy ny moto sy izay mba vola kely tany amin'ilay lasibatra. Nifamonjena nentin'ny olona tsara sitrapo any amin’ny HJRA izy, izay mbola nahateny ny anarany hoe : Paul, raha ny fanamarihana hatrany. Ireo vodibala roa latsaka teo amin’ny arabe, nalain'ny Polisy hanampy amin’ny fanokafana fanadihadiana hikarohana ny olon-dratsy. Vao tapa-bolana latsaka izay no nisy taxi-moto avy eny Anosizato nahita mpanjifa ho eny Mahitsy, kinanjo tsy hita popoka, fa ny fatiny sisa hita. Tratra ihany anefa ireo roalahy tompon’antoka rehefa nandeha ny fikarohana, ka nidoboka any Tsiafahy vao andro vitsy izay. Misy ny mpanao asa ratsy tratra, fa mbola maro ihany koa ny miriaria sy manohy ny asa ratsiny, ka isan’ny kendren’ireo tsy mataho-tody mafy indray izany izao ny taxi-moto, ka entanina ny rehetra ho mailo satria tsy tranga iray na roa fa tena sesilany satria tranga efa nisy teny amin’iny manodidina an’Ampasampito iny ihany koa ny hoe : manatitra olona, saingy rehefa tonga any amin’ilay fanaterana dia efa misy naman’ilay jiolahy miandry, ary mamoaka basy, dia lasa mora fotsiny ny moto.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT