Fandriampahalemana

Andohatapenaka Matin’ny polisy ilay jiolahy nampiasa basy kilalao


  • Zoma 09 Jolay 2021

Jiolahy mpanendaka sy mpamaky trano mampitondra faisana iny faritra 67ha sy ny manodidina iny no lavon'ny balan'ny Polisy tetsy Andohotapenaka ny atoandro omaly atoandro.

 Efa malaza amin'ny asa ratsy amin'iny faritra iny ity jiolahy ity ary efa ela no nitadiavana azy. Nidina teny amin'ireo faritra ireo ny Polisy nanao fanamiana sivily hisambotra ireto olon-datsy. Mbola eo am-piomanana ny hanao asa ratsy mihitsy ireto jiolahy no hitan'ny Polisy ka vao nanatona hisambotra azy ireo ny mpitandro ny filaminana dia nitsoaka avokoa ireto olon-dratsy saingy ity jiolahy rain-dahiny kosa namoaka basy ary voatery nitifitra ny Polisy ka izay no nahafaty azy. Rehefa nanatona ny Polisy nijery ilay basy izay vao fantatra fa basy tsy tena izy no nentin'ilay jiolahy. Mitohy ny fanadiovana ataon'ny Polisim-pirenena hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra, hoy ny eo anivon’io rantsan’ny mpitandro filaminana io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT