ANDOHATAPENAKA

Jiolahy miisa 3 lavon’ny balan’ny Polisin’ny UIR


  • Alarobia 08 Janoary 2025

Jiolahy rain-dahiny miisa telo no fantatra fa lavon’ny Polisin’ny tamin’ny asa fanafihana

mitam-piadiana teny amin’iny faritr’Andohatapenaka iny ny 06 Janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Taorian’ny fanamarinana ny loharanom-baovao izay azon’ny Polisy nanao fanamiana sivily, ny amin’ny nahitàna olona miisa 4 nampiahiahy teny an-toerana dia nirotsaka an-tsehatra avy hatrany izy ireo. Raha ny fantatra dia anisan’ireo olona naharaisana fitarainana, ary nikasa hanao fanafihana ireto efa-dahy nihaodihaody teny amin’ny Coco Plastique Andohatapenaka ireto.Vao nahatsikaritra ny fahatongavan’ny Polisy teny an-toerana anefa izy ireo, dia namoaka fitaovam-piadiana teny aminy, ka tsy maintsy nitifitra ny Polisy. Lavo tamin’izany ny telo tamin’izy ireo raha toa ka tafatsoaka kosa ny iray. Mitohy ny fikarohana ilay iray.
Pati
Legende : Efa any ankoatra izy telolahy lavon’ny balan’ny Polisim-pirenena ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT