ANDOHARANOFOTSY

Nohavaozina tanteraka ny tobin’ny zandary


  • Talata 14 Novambra 2023

Nohavaozina tanteraka ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano.

Nanao tohivakana raha araka ny vaovao azo ireo olona tonga nanatitra fanomezana tao an-toerana vokatry ny ezaka nataon’izy ireo. Anisan’izany ny fandraisan’olona izay tena mahafa-po ny ankamaroan’ny olona hoy ny vaovao raha toraka izany ihany koa ny fandraisana fanakianana. Somary nanano sarotra mantsy ny fanaovan-draharaha tao amin’ity tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy ity teo aloha teo. Lasa voasolo hatramin’ny rideau vokatr’izany. Voasolo ihany koa ny latabatra sy ny seza…Manantena fiaraha-miasa hatrany amin’ireo vahoaka mila raharaha ao aminy araka izany ireo tobim-paritry ny zandary ao Andoharanofotsy ary mbola miantso ny amin’ny fifanomezan-tanana ihany koa indrindra raha misy fanakianana hahafahana manatsara zavatra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT