Fandriampahalemana

Andoharanofotsy Nahitana fatim-behivavay tao anaty Dalle


  • Talata 21 Jona 2022

Akory ny hahatairan’ireo olona teny Andoharanofotsy omaly. Vehivavy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo mantsy no nifatotra gony ny tendany raha araka ny vaovao azo ary nisy nanary tao anaty dalle.

Teo akaikin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe miazo an’Ambohijanaka no nahitana ny razana, izay karazan’irony mpiantsena vao maraina irony raha araka ny tombatomban’ireo nanatri-maso. Zary lasa faritra mena mihitsy mantsy iny lalana miazo an’Ambohijanaka iny amin’izao, indrindra raha vao maraina. Betsaka ireo mpanendaka sy mpangaram-paosy no miandry fotsiny ireo mpiantsena sy mpaka entana izay nomarihin’ireo nanatri-maso hatrany fa misy mahavita mamono mahafaty mihitsy ny sasany. Mbola tena maizina rahateo ny amin’ny 05 ora maraina amin’izao noho ny toetr’andro ririnina izay tena mampahazo vahana ireo mpanao ratsy tokoa. Ahiahian’ny sasany araka izany ny mety ho nisian’ny olona namono ity vehivavy ity teny an-toerana na koa novonoina tany amin’ny toeran-kafa izy dia natsipy tao anaty dalle avy eo. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hamaritra izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT