ANDOHANILAKAKA

Velon-taraina amin'ny fitavozavozan'ny mpitandro filaminana ny mponina


  • Zoma 24 Janoary 2025

Nametraka fitoriana tany amin’ny fampanoavana Ihosy ny mpitory fa mahazo fandrahonana

avy amin'ny Zanak'i Maribotry , Filoham-pokontany ao Bepeha kaominina Andohanilakaka. Bela sy Zelandongo ary Solo sy ny namany ireo mpietraketraka izay efa mpamerin-keloka. manana dosie eny amin'ny fitsarana Ihosy mahakasika vono olona sy halatra omby, raha ny vaovao avy any an-toerana.
Efa ho herinandro no tonga ao amin’ny Brigade ilay ST (soit transmis) kanefa tsy misy tohiny . Hitan'ny mpitandro filaminana tsara ny toerana misy ireoo olona ireo fa dia tsy misy fisamborana . Malaza ratsy ho mpitarika ny fangalana tsy ara-dalàna ny 10% sy ampahatelon'ny vidim-bato amin'ireo vahoaka mpitrandraka safira ao BEPEHA izay tsy manaiky handoa vola. Rehefa tsy manaiky azy ireto ny vahoaka dia ravain'ilay amtsoina hoe BELA ny fananana toy ny trano, tanimbary ary horohoroina amin'ny basy, roahina hiala tsy hipetraka eo an-tanàna ny olona.Tetsy ankilan'izay, sy nahazaka ny fangalan'i BELA an-keriny ny tanimbariny sy ny ondriny i JUSTIN ka nametraka fitoriana teny amin'ny fitsaana Ihosy.Efa voatazona vonjimaika eny amin'ny zanadry i SOLO fa i BELA sy ZEMANDONGO kosa mbola miriorio ao an-tanàna tsy misy mpisambotra ka mihorohoro ny mponina.
"Matahotra izao fampihorohoroana izao ny mponina ka mandositra mankany iiakaka miala ny tanànany sy mandao ny asa fivelomany », hoy ny fampitam-baovao. Raha ny vaovao farany moa dia tonga nanao bemidina hisambotra azy 3 lahy malaza mampihorohoro vahoaka ireto ny zandary omaly alakamisy, saingy efa tsy hita intsony izy ireo.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT