ANDOHALO

Misy manendaka amin’ny andro atoandro


  • Talata 27 Febroary 2024

Lasa faritra mena tanteraka ny tananan’Andohalo.

Tsy mifidy fotoana intsony ireo mpangalatra sy mpanao sinto-mahery fa na dia amin’ny andro atoandro aza dia manao ny hataony.Ankizivavy kely iray hamonjy fodiana no nifanehitra tamin'ny mpanendaka ny Sabotsy lasa teo tokony tamin'ny 4 ora folakandro teny amin’iny faritra iny. Niantso vonjy avy hatrany ity ankizivavy ity rehefa niharan'izany asa ratsy izany, ka henon'ny Polisy nanao fisafoana teny manodidina. Nifanenjehana avy hatrany ilay mpanendaka, ka tratra tsy lavitra teo. Mbola tratra teny aminy tokoa findain'ilay ankizivavy ka naverina amin'ny tompony avy hatrany. Notanana teny amin'ny birao moa ilay jiolahy nahavanon-doza raha natolotra ny fitsarana omaly kosa. Fantatra fa vao 19 taona monja ilay mpanendaka nefa efa tena voky traikefa amin’izany asa ratsy izany tokoa.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo mpanendaka eny Andohalo tratra ity tovolahy ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT