Fandriampahalemana

Andilanatoby, Andilamena Mpimasy gaigilahy 3 maty voatifitry ny zandary


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Lavon’ny bala teo am-pandosirana tao Andilanatoby distrikan’Ambatondrazaka ireo mpimasy raindahiny malaza ratsy tao Andilamena miisa telo raha andeha

 

 

haterina any Fonjaben'i Tsiafahy Antananarivo, ny alin'ny 03 aprily 2020, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Sarona tao Andilamena ireto mpimasy malaza ratsy ireto, dia Soamila, nonina tao Andilamena, tratra ny 30 martsa ; Liva-mpimasy, nonina tao Andilamena, tratra ny 02 aprily ; Koto, nonina tao Behorefo, tratra ny 02 aprily. Ny famotorana nataon’ny Zandarimaria tany an-toerana dia nanamarina fa mpanafina sy mpiray tsikombakomba amin’ireo dahalo manafika sy mampijaly vahoaka any amin’ny faritra Andilamena sy ny manodidina azy iny izy telolahy ireto. Noho izany dia nahazo didy avy amin'ny Fitsarana ambaratonga ambony ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena tao Andilamena mba hanatitra ireo mpimasy ireo hotanana vonjimaika any Tsifahy. Niainga tao Andilamena izy ireo ny harivan'ny 03 aprily 2020. Teny an-dalana mihazo an'i Andilanatoby dia nitsambikina tampoka avy eny ambony fiara pick-up nitondrana azy izy telolahy, nararaotra ny lalana ratsy sy ny andro alina ka nandositra. Nasaina nijanona tamin’ny alalan’ny antso sy tifi-danitra fampitandremana izy ireo fa tsy nety, angamba nanantena fa haaro azy ilay voalazany fa ody bala. Koa voatery nitifitra ireo zandary. Tamin’izany no nahalavo azy ireo. Manaporofo ny maha olon-dratsy ireto mpimasy ireto ny fandosirany, hoy ny zandary. Ny fahafatesan’ireto mpimasy ireto, izay malaza fa mpanao ody bala, dia manaporofo ihany koa fa tsy misy izany ody bala izany fa fisolokiana sy famitahana olona fotsiny izany, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT