Fandriampahalemana

Andilamena Voatsatok’antsy ary tsy nisy maso intsony ilay ramatoa


  • Alarobia 11 Mey 2022

Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana any Antanambaovao distrikan'Andilamena. Ramatoa iray no maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana ny faran’ny herinandro teo tany an-toerana.

Vadina polisy efa nodimandry ity ramatoa ity hoy ny loharanom-baovao ary ary nipetra-drery. Raha ny fitantaran'ny fianakaviany sy ireo olona mahafantatra azy dia mbola namonjy ny fety nokarakarain'ny polisy Ratompokovavy tamin’ny sabotsy teo. Filohan'ny fikambanana FIVAPO rahateo izy tamin’ny fotoan’androny hoy hatrany ny vaovao.Nangataka ny hody anefa izy rehefa nigadona ny tamin’ny 05 ora hariva. Nisy hafatra tonga rahateo tamin’ny findainy hoy hatrany ny vaovao azo. Niantso an-tariby ny polisy, ny fianakaviany, ny mpiray monina aminy anefa ny zanany mipetraka lavitra tamin’ny alatsinainy teo mba hijery io reniny io satria tsy nety tratra antso mihitsy izy nandritra ny 2 andro.Rehefa niantsoantso azy anefa ny olona dia tsy nisy namaly mihitsy tao an-tranony. Voatery nitsikilo teo am-baravarankely ireto farany noho izany noho izany saingy ny vatana mangatsikan'ilay ramatoa sisa no hita tao. Tsatok'antsy miisa efatra no hita tao an-damosiny raha araka ny fantatra ary efa tsy teo amin’ny toerany intsony ny masony roa. Nanjavona ihany koa moa ny findain-dRatompokovavy.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT