ANDIANA MPANGALATRA TENY ANKADIKELY

Vao avy nigadra teny Antanimora ny iray


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Maro amin’ireo olona efa nifonja tafaverina eny anivon’ny fiaraha-monina

no mihazakazaka miverina eny am-ponja indray amin’ny alalan’ny fanaovan-dratsy. Amin’ny ankapobeny dia ilay ratsy efa nanasaziana azy teo aloha ihany no mbola averiny noho ny antony tsy fantatra. Lehilahy iray vao avy namita ny saziny teny Antanimora nandritra ny enim-bolana no fantatra fa sarona teny Ankadikely Ilafy indray raha nikasa hangalatra niaraka tamin’ny namany. Vokatry ny ezaky ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona tao Belanitra sy Andafiavaratra no nahatrarana azy roalahy ireo. Ny alin’ny 16 Jolay lasa teo no nitrangan’ity toe-javatra mampalahelo ity.
Pati
Legende : Any am-ponja indray izy roalahy ireto mihinana gagazo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT