ANDEMBY TOLIARA II

Omby miisa 4 tafaverina amin'ny tompony


  • Alatsinainy 27 Oktobra 2025

Nitrangàna fanafihan-dahalo tao

amin’ny kaominina Andemby, ao anatin’ny Distrika ‘i Toliara II, faritra Atsimo Andrefana ny 24 Oktobra maraina teo ka omby miisa efatra no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany ny Polisin’ny Hery Vonjy Taitra nanao sakana avy eo Andatabo raha vao naharay antso fitarainana. Tratra tany Ankaronga, 14 km miala an'i Andatabo ireo omby ireo. Raha vao nahatazan-davitra ny Polisim-pirenena niaraka tamin’ny fokonolona ireo dahalo dia vaky nandositra ka navelany teo ny omby sy ny basy teny aminy.Basy lava iray no azo ary tafav¬erina amin’ny tompony ireo omby miisa efatra rehefa vita fanamarinana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT