Andekaleka

Dahalo 10 tamin'ny 18 voasambotra ny alina teo


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Nafampana ny toe-draharaha ny tany Andekaleka any amin'iny tapany Atsinanan'ny Nosy

iny omaly alina. Dahalo miisa 18 lahy no voalaza fa saika hanafika tanàna, saingy nihetsika ny fokonolona. Nisy ny fiaraha-miasa tamin'ny COSPN Madarail, ny zandary miandraikitra ny PK 206. Vokany, voasambotra ny 10 lahy, ary tafaporitsaka ny 8, raha ny tatitra vonjimaika. Nahatratrana basy mahery vaika PA (Pistolet Automatique) iray tany amin'ireo dahalo, raha ny tatitra nataon'olon-tsotra. Efa am-pelantanan'ny manam-pahefana ireo 10 lahy ka andrasana ny tohiny. Endrika maneho izao fa tena miha mahery vaika ny tsy fandriampahalemana. Vao tapa-bolana teo no nikoropaka ny tao Manjakandriana fa hoe: misy andian'olona nahiana ho dahalo. Ny tetsy Alasora distrikan'Avaradrano ny faran'ny herinandro dia nisiana fanafihana mihitsy ka nisy iray matin'ny fokonolona kanefa dia mbola nanam-pahasahiana ny namany miverina hanao valifaty. Ny any amin'ny faritra Ankazobe sy Anjozorobe moa dia mbola mangotraka satria voalaza fa nisy fakana an-keriny olona 11 indray ny faran'ny herinandro teo,... Ampahany ireny fa tena saika manerana ny Nosy no mandry tsy lavo loha ny vahoaka. Misy foana ny tsy fandriampahalemana saingy tsikaritra ho mangotraka kokoa rehefa akaiky fifidianana. Fifandrifian-javatra ihany ve? Tsy finiavana hanakiana fa toa tsy arakaraka ny fizarana gradina jeneraly mirarakopana. Ny mpitondra sy sezany ary ny fananany milamina fa ny an'ny vahoaka rehefa tsy ampahorian'ny fahantrana dia andihizan'ny jiolahy sy ny dahalo satria tsy misy mpiahy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT