Fandriampahalemana

Andavamamba Tratra ireo mpanendaka amin’ny andro atoandro


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Lehilahy roa 18 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Boriborintany fahaefatra omaly tokony tamin’ny 10 ora atoandro.

 

Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy ireo teo akaikin’ny Fiangonana FJKM Andavamamba. Ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao amin’ny Boriborintany fahaefatra no nahatratra azy ireo izay marihina fa tsy nanao fanamiana. Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra mantsy izy ireo noho ny firongatry ny mpanao sinto-mahery eny an-toerana izay marihina fa mahita elakelan-trano hisitrahana foana raha vantany vao mahavita ny asa ratsiny. Efa marobe tsy tambo isaina ireo lasibatra. Avy hatrany dia nentina natao fanadihadiana moa izy roalahy ireto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT