Fandriampahalemana

Andavamamba Hanokafana biraon’ny polisy vaovao


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Ankoatra ny faritra 67 ha dia anisan’ny tanàna iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy ny sinto-mahery ny eny Andavamamba eny, efa ho herintaona mahery izao.

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo manao izany asa ratsy izany, indrindra raha vantany vao migadona ny amin’ny 6 ora hariva hisian’ny fitohanana eny an-toerana ka maha betsaka ireo olona mamonjy fodiana mihazo an’Ivato sy Itaosy. Mba hahafahana manova ny laza ratsin’Andavamamba sy hiarovana ny aim-bahoaka sy ny fananany ary dia misy ny fananganana toeram-pialamboly iray eny an-toerana, antsoina hoe : ”Yoppy Waterpark”. Manamorona ny ranon’Andavamamba mihitsy no misy azy io ka ny 80%-n’ny asa no efa ankehitriny, hiarahana akaiky amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Araka ny fanadihadiana natao dia ahitana toeram-pidiovana, biraon’ny polisy, zaridaina hahafahana maka aina sy maka sary ao amin’ity Park iray ity, noho ny fahafantarana ihany koa fa betsaka amin’ireo mponina eny an-toerana no tsy mananatra no fivoahana sy fidiovana. Tanjona amin’ny fananganana izao fotodrafitrasa izao ny hamaranana ny laza ratsin’Andavamamba amin’ny resaka asa fanendahana raha eo ihany koa ny fitsimbinana ireo mponina eny an-toerana.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT