Fandriampahalemana

ANDAPA Vehivavy 7 no nisy namono tao anatin’ny sivy volana


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Tovovavy iray efa tsy nisy fofon’aina intsony indray omaly no hita faty tany amin’ny distrikan’Andapa, Faritra SAVA.

 

 

 

 Mbola nihosin-dra ny vavan’ity tovovavy ity nandritra ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany izay marihina fa manodidina ny 20 taona eo ho eo. Teo akaikin’ny Sonatra no nahitana ny razana raha araka ny vaovao. Itompokovavy kosa no fahafiton’ireo vehivavy maty novonoin’olon-tsy fantatra tany an-toerana tao anatin’ny sivy volana raha tsy lazaina intsony ireo voadaroka. Raha araka ny fanazavan’ireo mpanara-baovao ao anaty tambajotran-tserasera facebook dia anisan’ny distrika be mponina Andapa raha oharina amin’i Sambava. Lohalaharana ihany koa anefa izy amin’ny resaka vono olona ary ny mahagaga dia vehivavy avokoa no lasibatra no sady tsy lavitra fa ao an-tampon-tanana avokoa. Antson’ireo mponina any an-toerana araka izany ny tokony hijokoan’ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao ratsy amin’ny toerana iray rehefa alina ny andro ary mandefa vehivavy iray hatao jono mandritra izany mba hahatrarana azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT