Fandriampahalemana

Andapa Nahatrarana sahan-drongony , mpivady no tompony


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Nahatrarana sahan-drongony mirefy 30 m² tao Anandraibe , Fokontany

 

Ambodihasina distrikan’ Andapa ny 26 novambra lasa teo.Rongony lena milanja 12 kg, niampy rongony maina milanja 900 gr ary fitaovana fifohana cannabis 2 kg no tratra tamin’izany. Olona roa mpivady moa no voalaza fa tompon'ity sahan-drongony ity ka lasa nandositra ralehilahy tamin’ny fotoana nanaovan’ny zandary be midina teny an-toerana. Ilay vehivavy vadiny no voatery notazonina tao Ambodiangezoka araka izany. Ny 26 novambra teo ihany koa dia olona roa no tratra tao amin’ny Fokontany Betsakotsako kaominina sy distrikan’ Andapa nitondra rongony milanja 40 kilao. Avy any Antanambao distrikan’i Bealanana izy ireo raha araka ny fantatra ka notazonina avy hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT