Fandriampahalemana

ANDAKANA BETROKA Nahitana fatim-behivavy tsy nisy lohany


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Indroa isam-bolana raha kely no ahitana fatin’olona efa tsy misy lohany intsony any amin’ny Faritra Atsimo. Tafiditra ao anatin’izany ny distrikan’Amboasary Atsimo,

Midongy Atsimo, Betroka….Ho an’ity farany manokana ohatra dia fatim-behivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo efa tsy nisy lohany intsony no hita tany an-toerana omaly maraina. Tao Andakana , distrikan’ i Betroka no nahitana izany. androany maraina. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina any an-toerana dia toy ny nokapaina tamin’ny zava-maranitra ny lohan’ity vehivavy ity avy eo nariana ny vatany efa tsy nisy fofon’aina intsony. Mbola hita teny aminy kosa ny fitafiany rehetra. Tsy nisy nahalala ity Renim-pianakaviana ity moa ireo mponina tao an-toerana. Ireo olona akaiky azy toy ny fianakaviany ihany noho izany no mety hahafantatra azy amin’ny alalan’ireo fitafiana nanaovany. Tsiahivina moa fa vokatry ny tsy fisian’ny asa dia mahazo vahana tanteraka ny vono olona toy ny fanapahan-doha any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Lasa manaotao foana avokoa ireo tanora zazalahy ka mbola tafiditra ao anatin’izany ny famonoana sy fakana an-keriny ireo zaza varira. Na izany aza tsy mbola nisy hatreto ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana hamahana ny olana ateraky ny tsy fananan’asa any amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Tao anaty kirihitr’ala tahaka izao no hita ny vatana mangatsiakan’ity vehivavy ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT