ANATIHAZO ISOTRY

Mpangarom-paosy roavavy voasambotra


  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Mila mailo hatrany ! Aza sodoka

amin’izay endrika na fitafy na izay angolangolan’ny olona eo akaikinao rehefa eny an-tsena sy an-dalambe eny fa ny ratsy tsy misy tandroka. Misy aza ireo manao ny asa ratsiny hatreny amin’ny toerana akaiky Eglizy, toerana izay tokony hanaovana fanavaozana ny aim-panahy. Roavavy no tratra ny polisy ambodiomby ny Alakamisy maraina 12 Martsa teo, manoloana ny fiangonana katolika iray eny Anatihazo Isotry. Miandry ny fivoahan’ireo mpiangona mamonjy lamesa maraina na lalan’ny hazo fijaliana izy ireo ao anatin’izao andro Karemy izao, ho an’ny mpino katolika, ka efa nisy ny lasibatra tamin’izany. Araka izany dia nametraka paikady manokana ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha-04 Isotry hitsirihana azy ireto, ka noraisim-potsiny tao anatin’izany. Nosamborina izy ireo ary nentina teny anivn'ity kaomisaria nanaovana fanadihadiana. Niakatra fitsarana ny faran'ny herinandro teo ny raharaha.
Pati
Légende : Ireto izy mirahavavy tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT