Fandriampahalemana

Anatihazo Isotry Mpanendaka roalahy indray no tratra


  • Talata 17 Aogositra 2021

Mpanendaka roalahy indray no saron’ny polisy teny Anatihazo Isotry rehefa avy nanendaka. Ny 12 aogositra lasa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana avy amina Ramatoa iray ny Polisy

 miasa ao Isotry fa nisy nanendaka teny Andranomanalina izy. Raha araka ny fanazavany dia lehilahy miisa 02 no nanendaka azy tamin’izany ka lasany ny poketra nisy ny kara-panondrony, ny finday marika « URBANO » iray niampy taratasy maro samihafa sy lela-vola 147.000 Ar. Ny sabotsy lasa teo no fantatra ny toerana misy ireo roalahy mpanendaka ireo ka rehefa nohamarinina dia tena izy ireo tokoa no nanendaka ity Ramatoa ity. Nidina nisambotra azy ireo avy hatrany ny polisy ka sarona soa aman-tsara izy ireo.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT