ANALAMALOTRA TOAMASINA

Vehivavy iray novonoina dia avy eo nariana teny amoron-dalana ?


  • Zoma 05 Septambra 2025

Nitrangana toe-javatra mampalahelo omaly Alakamisy 04 Septambra

maraina tany Analamalotra Toamasina. Renim-pianakaviana iray tombanana ho nisy namono no nisy nanary teo akaikin'ny tetezana ka hitan'ny fokonolona. Mivonto sady manganabe ny tarehiny no mivoa-dra ihany koa. Tsy nahatsiaro tena izy nandritra ny fotoana nahitana azy hoy ny vaovao ka voatery nentina namonjy hopitaly. Tsy nahitana taratasy mombamomba azy koa teny aminy. Ny Sefom-pokontany tao Analamalotra moa no nitarika ireo tsara sitrapo nanampy ity Renim-pianakaviana ity. Misy ihany koa moa ny feo mandeha fa mety nodomin'ny fiara ity vehivavy ity dia nitsoaka ilay mpamily. Ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny nanjo ilay vehivavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT