Fandriampahalemana

Analamahitsy Nasaina nifona tamin’ny vahoaka ilay mpangalatra


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Lehilahy iray fantatra fa any Ambatofotsy no tratran’ny fokonolona nangalatra omaly talata vao maraim-be teny Analamahitsy.

 

 

 Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany noho ny fahasorenana ateraky ny hasarotan’ny fiainana, indrindra ao anatin’izao fihibohana izao ka tsy nandray azy intsony ny polisy. Efa feno ratra mantsy ny tavany. Voatery nitady sazy ho azy araka izany ny fokontany ka nasaina nanadio tatratra sy ny loto rehetra teny amin’ny manodidina ilay mpamgalatra. Taorian’izay dia nasaina nilanja baoritra misy soratra fifonana tamin’ny fokonolona izy ka iny no nololohaviny nentiny nitety ny tanàna teny Analamahitsy. Sady menatra ny lehilahy no afa-baraka saingy tsy afaka nanda.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT