Fandriampahalemana

Analamahitsy Jiolahy 3 maty voatifitry ny polisy


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Naheno loharanom-baovao ny polisy avy ao amin’ny Bbc 4 sy CSP2 fa misy jiolahy mitady hanao fanafihana mitam-piadiana eny amin'iny faritra Analamahitsy iny.

 

 

Fantatra fa omaly izy ireo no tokony nanatanteraka izany ka teo Masay no nikonokononana ilay fanafihana izay saika hatao tamina mpandraharaha iray. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka vao nahita ireto farany tonga teny an-toerana ireo jiolahy dia nitifitra avy hatrany. Nanana Kalachinokov mantsy izy ireo. Tsy nitsitsy azy ireo ihany koa ny polisy fa mba niaro ny ainy ka namaly ny tifitra nataon'ireto olon-dratsy. Vokatr'izay dia maty voatifitra ny jiolahy telo raha tafaporitsaka ny iray. Fantatra ihany koa fa isan'ny mpanao fanafihana mahery vaika eto an-drenivohitra ireto jiolahy ireto toy ny teny Nanisana, Besarety.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT