ANALAKELY-ZAZAVAVY VOAENDAKA

Nokatsanan’ireo jiolahy tamin’ny hety ny volony nirandrana


  • Zoma 14 Jona 2024

Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika.

Hatramin’ny volon-doha lava aza lasa atahorana ny mitondra azy fa katsanan’ireo jiolahy eny am-pandehanana. Tovovavy kely iray vao 12 taona indray afak’omaly Alarobia 12 Jona no fantatra fa niharan’izany teny Analakely. Raha ny loharanom-baovao azo dia bandy telolahy no indray nanendaka azy io izay nitondra antsy sy hety. Avy hatrany dia ny volon’ity zaza ity ilay ilany lavabe mirandrana iny no nokantsanan’izy ireo tamin’izany. Mbola lasany ihany koa ny finday sy ny vola teny amin’ilay zaza. Raha ny fantatra dia nisy nahita tokoa izany tranga izany saingy nijery fotsiny izy ireo. Tsy mba nisy iray akory sahy nanohitra ireo jiolahy hoy hatrany ny vaovao ka nanavotra ity zaza ity. Marihina moa fa anisan’ny antony mampirongatra ny halatra volom-behivavy lava tahaka izao ny fisian’ireo mpanao volo mametaka soratra amin’ny varavarany fa mividy volo. Tokony hisy ihany ny fepetra raisina mikasika azy ireny fa tena mampidi-doza olona.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa ny volon’ilay zazavavy kely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT