Analakely

Vazaha nisy nanendaka, notazanim-potsiny


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Nisehoana toe-javatra mampalahelo teo Analakely akaikin’ny Gastro Pizza ampitan'ny Le Glacier omaly alarobia 01 mey 2024.

Tokony tamin’ny 9ora20, vazaha lahy no nisy nanendaka, raha ny vaovao voaray. Niezaka nanenjika ireo mpanendaka nitsoaka niakatra an’Andohan'Analakely ilay vazaha, saingy nijery fotsiny ireo polisy sy zandary maro nijoro teo amin’ny tsangambato Ralaimongo, nisy koa tao anaty fiara pick-up, ka nahasorena ny olona, hoy ny fanamarihan’ny vavolombelona nanatri-maso. Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, fa nitazam-potsiny izany ireo karamaina hiaro ny vahoaka sy ny fananany ? Ny eny ambanivolo , olana matetika ny hoe : tsy misy solika rehefa handeha hanenjika olon-dratsy, ary ny aty an-tanan-dehibe variana na tsy rototra amin’ny zava-manjo ny olona. Tsy ny mpitandro ny filaminana ihany, fa efa zary lasa fanao ny tsy mifamonjy sy tsy mifanavotra amin’ny toe-javatra tahaka ireny, ka manjaka sy mahazo vahana ny ratsy. Tsy hoe : vahiny no voa dia tsy taitra ny rehetra fa toa efa mandeha ho azy ilay miraviravy tànana na iza na iza lasibatra. Raha raisina amin’ilay sokajin’ilay olona hoe teratany vahiny no lasibatra teto indray, dia ny zavatra tahaka itony no manamafy ny laza ratsy ho antsika satria tsy maintsy hiako ny tahaka izany ho an’ireo vahiny te hizaha tany ka mandrisika azy ireny tsy ho aty ny lasibatra tahaka itony ny namany izay niaina ny zava-nisy. Raha misy olona 10 na 20 na an-jatony resin’ity lasibatra ity tsy ho eto Madagasikara dia efa volabe tokony hiditra amin’ireo mpisehatra ara-pizahantany sy mpandraharaha na mpivelona amin’izany, saingy tsy tonga any amin’izany moa ny eritreritra na ho an’ny mpanao ratsy, na ny mpitantana, eny fa hatramin’ny fiarahamonina aza. Mila fanovana !
Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT