Fandriampahalemana

An-tampon’Itaosy Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika, voatifitra ny CB


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika afak’omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teny amin’ny Saint Michel Itaosy, kaominina Itaosy, distrikan’Atsimondrano.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nifanehitra tamin’ireo zandary nanao fisafoana izay notarihin’ny lehiben'ny tobim-paritry ny zandarimaria nasionaly Itaosy ireo jiolahy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika miisa 5. Nasaina nijanona ireo jiolahy saingy nanompa no sady nandositra ary nampiasa fitaovam-piadiana ka nitifitra in-telo. Voatifitra tamin'izany ny tongotry ny CB na ny lehiben’ny zandary eny Itaosy. Efa mazava ny andro vao nahatsapa ity CB ity fa mivoa-drà ny tongony. Nalefa eny amin'ny CENHSOA izy vokatr’izany mba hanalana ilay bala tafiditra. Namaly tifitra ihany koa ny zandary nandritra izany ka voatifitra ny iray ary tafatsoaka kosa ny efatra tamin'izy ireo. Basy poleta iray vita gasy moa no tratra teny amin'ilay jiolahy maty izay marihina fa jiolahy avy eny Ambaranjana Ampitatafika hoy hatrany ny loharanom-baovao azo.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT