AMPITATAFIKA ATSIMONDRANO

Mpanampy an-trano nandositra niaraka tamin’ny 6 tapitrisa Ar


  • Alarobia 11 Septambra 2024

ovovavy kely iray manodidina ny 22 taona eo ho eo raha misy no nitondra volabe 6 tapitrisa Ar

nitsoaka teny Ampitatafika Atsimondrano, ny faran’ny herinandro teo. Vololoniaina Robina no anarany ary avy Fianarantsoa no fiaviany. Niasa an-tranon’olona no nahatongavany teny Ampitatafika raha ny fantatra. Hivoaka hiantsena no nivoahany ny trano kinanjo efa noraofiny avokoa izay rehetra nilainy. Nentiny ihany koa mantsy ny firavaka volamena an’ilay mpampiasa azy sy entana isan-karazany. Mbola hifampitadiavana ity tovovavy kely ity hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Afaka miantso ny zandarimariam-pirenena ao Ampitatafika amin’ny laharam-pinday 𝟬𝟯𝟰 𝟭𝟰 𝟬𝟭 𝟵𝟵𝟭 moa izay sendra mahita azy. Tsiahivina moa fa tsy vao sambany no nisy mpanampy an-trano nangalatra volabe sy firavaka volamena tahaka izao teto amintsika. Tokony hahay handray lesona araka izany isika manana mpanampy an-trano toy ny tsy fampisehoana azy izay rehetra tsy tokony ho fantany, ny fametrahana fitokisana aminy diso tafahoatra…hisorohana ny tranga tahaka izao.
Pati
Legende : Ity ilay Ikalakely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT