Fandriampahalemana

Ampefiloha Tovolahy tsy ampy taona, nangalatra aroloha


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Tovolahy iray, 16 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie Urbaine D’Intervention (CUI3) tetsy Ampefiloha ny alarobia 26 jolay lasa teo rehefa avy nangalatra aro loha.

Tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro dia nisy olona tsara sitrapo nanatona ireo Polisy avy ao amin’ny CUI izay niasa teo anoloan’ny LMA Ampefiloha ary nitaraina mahakasika ny fisiana tovolahy iray mpangalatra aro loha eny ampefiloha sy ny manodidina iny. Manoloana izany dia nandray andraikitra avy hatrany ireo Polisy ka hita tsy lavitra teo ilay tovolahy voatondro. Nosamborina avy hatrany izy ary nentina teo anivon’ny Sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ka tamin’ny famotorana natao azy dia niaiky izy fa izy no mpaka ireo aro loha izay very eny amin’ireny toeram-piantsonana (Parking) moto ireny. Anisan’izany ireo arolohana mpampianatra iray tao amin’ny LMA izay very tamin’io andro io. Tonga nametraka fitoriana moa ity tompon’entana ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT