AMPEFILOHA

Lehilahy tratra nanosika moto halatra


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

nandritra ny fisafoana mandeha an-tongotra nataon’izy ireo ny alin’ny Zoma 16 Mey teo, tetsy akaikin’ny lalam-by Ampefiloha. Tsikaritry ny Polisy izy teo am-panosehana moto izay tsy nisy fanalahidy ity lehilahy ity ka nasaina nijanona ho hadihadiana. Rehefa natao ny fisavàna dia hita fa tsy nanana taratasy manamarina fa azy ilay moto ilay ranamana ka nentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy. Tamin’io alina io ihany oa dia nisy filazana navoakan’ny onjam-peo iray momba ny fahaverezan’ny moto iray teny Antsahavola, ary voamarina fa ilay moto tratra teny Ampefiloha io very io rehefa nitondra ny taratasy manamarina izany ny tompony.
Pati
Legende : Any am-ponja sahady no hanohizan’ity tovolahy ity ny fiainany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT