Ampasimalemy, Vangaindrano

Rongony 56 gony saron’ny zandary


  • Zoma 14 Jona 2024

Rongony 56 gony, milanja 749,36kg no saron’ny zandary ao Vangaindrano tany Mariany,

kaominina Ampasimalemy, taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao. Miisa 30 lahy ireo olona nitondra ny rongony, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny 14 no tratra fa ny 16 tafatsoaka. Avy any amin'ny kaominina ambanivohitr’Ivahona, distrikan'i Betroka ireto rongony, kasy, ireto, raha ny fanazavana hatrany. Lasa adihevitra be moa amin’izao fotoana izao ny mikasika ny hoe ireto rongony tratra ireto ve izany izao dia ho dorana daholo indray? Tsy misy fomba hafa azo hamadihana azy itony ho fototra itondrana soa eo anivon’ny fiarahamonina mihitsy? Voalaza efa hatramin’ny ela fa zava-maniry hany maro mpahafantatra fa manasitrana tazovony, ohatra, ny rongony. Mety misy vokatra hafa azo entiny eo amin’izay tontolon’ny fahasalamana izay koa ve? Ahoana no fomba hahafahana manodina azy tsy ho zava-mahadomelina intsony? Maro ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao saingy hatreto nefa moa dia mbola voahenjiky ny lalàna malagasy izay fambolena sy fikirakirana rongony izay. Mampahatsiahy ny fandaniana ny lalàna momba ny toaka gasy tamin’ny fotoan’andro ary heverina fa tsy hijanona hatreo rahateo ny adihevitra momba izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT