Fandriampahalemana

Ampasika Tratra ilay mpanendaka mpandeha an-tongotra


  • Alarobia 03 Mey 2023

Raim-pianakaviana iray tratra alina nandeha dia an-tongotra teny Ampasika lalana miazo an’Itaosy handeha hamonjy

fodiana no saika notsindromin’ny mpanendaka tamin’ny antsy ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Sendra hitan'ny Polisy nanao fisafoana teny an-toerana anefa izy no sady nanambana antsy nandritra izany ka tsy afa-niala intsony . Noraisim-potsiny ilay ranamana vokatr’izany. Tsy nisy moa zavatra lasan'ilay mpanendaka no sady afa-doza ihany koa ilay Raim-pianakaviana . Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana moa dia anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana tokoa ny tananan’Ampasika sy ny manodidina amin’izao. Mahatratra 5 isan’andro raha kely ireo olona voaendaka eny an-toerana manomboka amin’ny 05 ora hariva ka hatramin’ny 08 ora alina raha tsy ferana ireo mety tratra alina voatsindrona antsy ka mety mamoy ny ainy ary harian’ireo tsy mataho-tody any amin’ny toerana tsy fantatra. Mila mitandrina hatrany araka izany ireo mponin’Itaosy manoloana izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT