Fandriampahalemana

Ampasanimalo Tratra ilay mpanendaka rehefa avy nifanenjehana


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Tena efa lasa manendaka avokoa ny ankamaroan’ireo olona manao asa tsy ara-dalana amin’izao.

Lehilahy iray voalaza fa mpitaona entana monina eny Ambatoroka no tratra nanendaka teny amin’ny elakelan-tranon’ny Colisée Ampasanimalo omaly. Olona sendra nandalo no voaendaka tamin’izany. Teo am-pitsohahana indrindra ity mpanao ratsy ity no sendran'ny polisin'ny boriborintany faharoa ka avy dia nifanenjehana ka tratra. Rehefa nosavaina ilay tovolahy dia mbola tratra tany aminy ny finday iray avo lenta izay nohamarinin'ilay nilaza fa voahendaka fa tena azy tokoa. Taorian'ny fanadihadiana natao azy tany amin'ny biraon'ny polisy dia fantatra fa 29 taona ity farany . Omaly moa no niakatra fampanoavana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT