Araka ny filazan’ny manodidina izay nisafidy ny tsy hitonona anarana, noho ny tahotra valifaty; hatramin’ny resaka nandeha fa tsy misy mpitandro filaminana manao polisin-dalana na “PR” dia nanararaotra izany ireo olondratsy.
Nirongatra izay tsy izy tamin’iny faritra Ampasampito iny ireo mpanao sintomahery, ary mbola mitohy hatrany izany. Amin’ny fotoan’ny fibosesehan’ny mpandeha, indrindra amin’ny hariva no mampirongatra ireo mpangaro-paosy. Rehefa fijanonan’ny fiara mpitatitra saika ahitana ireny andiana olondratsy ireny avokoa. “Mody misisika miaraka amin’ny mpiandry taksibe izy, efa jereny akaiky izay ho hazainy. Teren’izy mianakavy ao ilay olona, ny sasany eo aloha mibahana, ny jiolah ysasany eo ankavia sy havana manaporitra, ny ambiny misaka paosy na mandrovitra poketra. Rehefa poritra ao ilay olona dia tsy mahatsapa izay mihatra. Ilay mpangaro-paosy mibahana eo aloha mandeha taksibe fa tsy lasa alavitra dia midina. Misy aza efa fantatry ny mpamily mpanampy izany fa noho ny tahotra kakay dia tsy sahy miteny, tsy mitaky saran-dalana akory aza.” Hoy i Aline Raharinirina, mponina eny amin’ny manodidina. Araka ny filazan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eny an-toerana, vahiny fa tsy mponina eny an-toerana ireny mpangarom-paosy tonga manafika ireny. Ireo mpandeha mpandalo ihany koa no lasibatra ka tsy misy mitaraina eny amin’ny fokontany. Nisy ireo mpitandro filaminana nitety tanana ho hitan’ny vahoaka fa vao mahatsikaritra izany ireo mpanendaka dia manjavona. Milaza ireo mpiandraikitra eny ifotony fa hafa mihitsy ny fandriampahalemana ahitana polisim-pirenena mitoetra eo. Velombolo ireo tomponandraikitra sivily mahita ireo mpitandro filaminana efa mandamina ny fifamoivoizana. Ny fahitana azy ireny mantsy efa mitondra tahotra ho an’ireo mpanao ratsy. Efa misy ny paik’ady izay hoentin’ny tomponanandraitra eny ifotony mikasika ity tsy fandriampahalemana an-dalambe ity. Rah any loharanom-baovaon’ny polisim-pirenena ihany koa hanomboka rahampitso ny fiofanan’ny mpitandro filaminana mpandrindra fifamoivoizana, ka hisy akony hatrany amin’ny filaminana sy fandriampahalemana izany.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.