Fandriampahalemana

Ampamantanana Noraisim-potsiny teo am-pamakiana trano ilay lehilahy


  • Zoma 22 Jolay 2022

Lehilahy iray 25 taona no nosamborin’ny Polisy afak'omaly 20 jolay tokony ho tamin’ny 08 ora alina teny Ampamantanana rehefa tratra ambodiomby teo am-pamakiana trano.

Jiolahy efa fatatry ny maro eny amin'iny faritra iny ity lehilahy ity. Mpanao hala-botry sy vaky trano an-toerana sy ny manodidina mantsy izy ary efa andrasa-potsiny. Tranon’olona iray monina tsy lavitra ny arabe no saika novakian’ity farany ka hitan’ny manodidina tamin'io alina io. Nifampiantso ny mpiray vodirindrina ka nitsoaka ilay jiolahy, ary nifanenjehana. Tratran’ny olona tsy lavitra teo anefa izy ka saika niharan’ny fitsaram-bahoka. Rehefa naheno ny angom-baovao ny polisy miasa teny an-toerana dia nandray ny andraikiny avy hatrany. Tsy nahatondra na inona na inona moa ity mpangalatra ity tamin'ny fotoana nahatrarana azy.
Pati
Legende : Ity ilay olon-dratsy tratra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT