Fandriampahalemana

Amnesty International Nanakiana ny mpitandro filaminana Malagasy


  • Talata 09 Jolay 2019

Nanao fanambarana indray ny Amnesty International ary nilaza fa ilaina ny ezaka

 

 
 hampitsaharana ny fampijaliana sy ny vono olona ataon'ny mpitandro filaminana Malagasy. Ny fanjakana malagasy mihitsy, hoy izy ireo no tokony handray fanapahan-kevitra hentitra  hanafoana ny tsimatimanota manatanteraka vono olona sy fampijaliana. Ny fampijaliana ataon'ny polisy sy ny miaramila dia zary fomba fanao mahazatra eto Madagasikara, hoy ny Amnesty International, indrindra amin’ireny ady atao amin’ny dahalo ireny. Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay dia nihamaro ny fampijaliana ireo mpangalatra omby izay mitarika famonoan-tena ary hita ho tsy rototra mihitsy ny manampahefana, hoy ny Tale rejionalin’ny Amnesty International aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika, Deprose Muchena. Tokony handray andraikitra ny manampahefana malagasy ka hanao fanadihadiana mahomby amin'ny tranga misy ary hanolotra avy hatrany amin'ny fitsarana mahefa ireo mpitandro ny filaminana manao fanaparam-pahefana. Matetika izy ireo no mandoro trano sy mampijaly ary mamono ny mponina mihitsy amin’ny resaka ady amin’ny dahalo. Tahaka ny tamin'ny volana janoary 2019, ny Amnesty International dia mitaky ny marina momba an’ireo vatan-dehilahy valo tao Betroka izay feno balan'ny polisy voapanga ho nangalatra entana tao amin'ny fivarotana. Eo ihany koa ny tranga izay nahavoapanga lehilahy telo ho nangalatra fitaovam-piadiana ary hita faty teny amin'ny tanànan' Ampitatafika tamin'ny 31 mey lasa teo.
 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT