Fandriampahalemana

Ambovombe Hijerena vahaolana mahomby ny olan’ny karatr’omby


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Nanombohana ity herinandro ity ny famoràna zaza faobe izay natao tao Ambovombe Androy ka tonga nanokatra izany ny depiote voafidy tao an-toerana,

 Henry Jean Michel na depiote Henry. Ankoatra ny fikarakarana izany dia nanome « paniers Garnis » ho an'ireo zaza vao noforaina, izay nahitana Vary 5kg isan'ankizy, menaka 1 L, vatomamy sy biskoitra ity depiote ity. Nozaraina malabary koa ireo ankizy. Taorian'izay dia nitsidika ny fivoaran'ny asa ao amin'ny Tsena manaram-penitra Berary ny tenany, ary nilaza fa manantena ny asa fanamboarana ho vita hatramin’ny farany. Nizotra nijery ny fivoaran'ny asa fanamboarana ny Pave ao an-tampon-tanànan’Ambovombe Androy, izay tena mbola am-perinasa tanteraka, indray avy eo ny tenany sy ny delegasioniny.Tanjona amin'izao fanamboarana ny lalana ho Pave ao Ambovombe izao ny mba hanamora ny fifamoivoizana ary koa ny hanome endrika ny renivohitry ny Faritra Androy, hoy izy. Taorian'izay dia nijery ny fanamboarana ny Kianja manara-penitra Andaboly. Mizotra ary mandeha araka ny tokony ho izy ny asa ary manara-penitra ny anatin’izany rehetra, hoy ny fanamarihana. Namaranany ny fandaharam-potoanany moa ny fivoriana niaraka amin'ny OMC handaminana ny momba ny fandaniana ny vola CLD 2020 na tetibola natokana ho an’ireo kaominina ao Ambovombe sy ny vahaolana mafy orina momba ny FIB na karatr’omby ary ireo dinika hafa hampandrosoana an'Androy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT